Andry RAJOELINA
- Détails
- Catégorie : Andry RAJOELINA
- Détails
- Catégorie : Andry RAJOELINA
Tsy hisy intsony ny tanàna lavitra andriana sy tsy misy mijery izany izay no antony ahatongavako eto. Izaho dia mijoro hiaro anareo sy hampandroso ny tanàna. Mila tanora vonona sy sahy no mitarika an’i Madagasikara satria ISIKA REHETRA NO HIARAKA HANAVOTRA AN’I MADAGASIKARA.
- Détails
- Catégorie : Andry RAJOELINA
Maro be hatrany ianareo no mihaona amiko rehefa tonga eto aho. Ataoko mendrika izany fitiavanareo izany ny valim-pitia atolotro. Asiko lapan’ny fanatanjahatena goavana eto Fianarantsoa. Efa hitako tokoa fa vita ny safidinareo, andao ary hifidy amin’ny 19 desambra izao dia handroso i Madagasikara.
ISIKA REHETRA NO HIARAKA HANAVOTRA NY FIRENENA.
- Détails
- Catégorie : Andry RAJOELINA
Tamin’ny fotoanan’ny tetezamita aza isika nahavidy angidim-by telo ho fiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana teto Madagasikara nefa tsy nahazo fanampiana avy any ivelany.
Rehefa lany filoham-pirenena aho, angidim-by folo no vidiako entina miady amin’ny tsy fandriampahalemana ary tsy maintsy hipaka aty Ambalavao izany. Nitarika isika teto Ambalavao ary mbola hitarika isika amin’ity fihodinana faharoa ity.
TSY MAINTSY TAFITA I MADAGASIKARA
- Détails
- Catégorie : Andry RAJOELINA
Fitsidihan'i Andry Rajoelina ny " Évêché" eto Ambositra.
https://www.facebook.com/SE.AndryRajoelina/videos/437316060136958/
- Détails
- Catégorie : Andry RAJOELINA
Tiako mamangivangy anareo eto Ambositra satria hitako fa tia ahy ianareo. Fitia mifamaly ny antsika. Amin’ny foko manontolo no hilazako aminareo fa betsaka ireo tetik’asa entina hampandroso an’Ambositra efa nomaniko ho anareo rehefa lany filoham-pirenena aho. Henoko ny fitarainanareo ny amin’ny jadona mahazo anareo. Efa nilaza aminareo aho fa hipetraka ho vahaolana ho anareo fa ampio aho dia vitantsika ny hampandroso an’Ambositra.