Faits divers

Tohin’ilay fanafihana sy fitifirana karana teny Tanjombato ny volana jona teo dia miaramila roa miaraka amin’ny namany 4 no nidoboka am-ponja eny Tsiafahy omaly rehefa avy niakatra fitsarana omaly maraina.

Mahatratra enina alina ireo basy eny an-tanan’ireo sivily voarakitra ao amin’ny talen’ny fanompoam-pirenena sy fianry eo anivon’ny tafika malagasy. Hisy ny fanavaozana izany sy fitsirihana ireo basy tsy ara-dalana eny ampelatan’olo-tsotra isak’ireo distrika 119 manerana ny nosy. Hisy ihany koa ny fanentanana ireo tanora Malagasy feno taona mba hanao ny fitsarana miaramila.

Nandritra ny fanolorana mari-boninahitra ny « attaché de défense » Amerika teny amin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena teny Ampahibe ny zoma lasa no nanambaran ‘ny masoivoho Amerikana miasa sy monina eto amintsika fa efa mihatsara tanteraka ary efa azo tsapain-tanana ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fandrimpahalemana eto Madagasikara.

Ny 20 jona hoavy izao no fe-potoana farana hahafahana mamerina ireo basy tsy ara-dala eny antanan’olo-tsotra. Aorian’ny 20 jona hiaran’ny sazy enjana ireo izay mbola minia tsy mamerina izany raha ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena ny erin’andro lasa teo.

Afa-doza ny mponin’i Tsarafaritra Tsimbazaza, satria tontosa androany ny fanapoahana ilay vato be milanja 500T nahiana nihotsaka  eny amin’ny fokontany Tsarafaritra Andoharano Tsimbazaza. Nanano sarotra ny asa fanapoahana, raha ny nambaran’ireo teknisiana teny an-toerana. Na izany aza anefa, tsy nisy ny aina nafoy, na ny naratra, tsy nisy ihany koa ireo trano voakasika nandritry ny fanapoahana.

Rongony milanja 55 kg no saron’ny pôlisy tany Toamasina ny aliny 6 jona teo. Nafenina tao anaty valizy ireo rongony ireo ary nentina tuctuc. Tsy fantatra ny tena fiavian’ireto rongony ireto raha ny fanazavana.