Société

Natokana ho andro iraisam-pirenena amin’ny fampihenana ny fampiasana ny harona plastika sy ireo akora plastika samihafa ny andron’ny 03 jolay. Raha ny eto amintsika no jerena, betsaka ireo mbola mampiasa akora plastika sy manary izany eny rehetra eny, ka zary manimba ny tontolo iainana. Anisan’ny mandoto ny tontolo iainana tokoa ny fampiasana ny akora plastika satria tsy mety levonina toy ny akora hafa izy ireny.

113 ireo tranga na pesta teto Madagasikara ny 1 aogositra 2018 ka hatramin’ny volana mai 2019. Raha tsiahivina, nahatratra aman’arivony ireo tranga na pesta ny taona 2017 nandritra ny fotona nampirongatra ny valan’aretina pesta ny taona 2017.

Tsy namela irery ireo fianakaviana tra-pahoriana ny fitondram-panjakana. Omaly, tonga nankahery ireo havan’ireo namoy ny ainy ny Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA mivady, sy ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta, ary ireo mpiara-miasa amin’ny filoha eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, teny amin’ny Petit Palais tao Mahamasina . Ny Filoha Andry RAJOELINA no nitondra ny teny fampihononana ho an’ireo fianakavian’ny maty.

Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana mandritra ny hetsika rehetra hankalazana ny fiverenan'ny fahaleovantena. Ny EMMO no hiandraikitra izany araka ny tapaky ny fivorian'ny OMC ny maraina teo teny Tsimbazaza. Ankoatra izay, nofoanana ny fandrarana ny fanapoahana tsipoapoaka.

 
Endrika fitiavan-tanindrazana ny fanajana ny sainam-pirenena manerana izao tontolo izao. Samy manindrahindra ny azy ireo firenena maneran-tany. Maro anefa ny malagasy no tsy mahalala izany, hany ka manimbazimba sy tsy manaja ny sainam-pirenena. Nitondra fanazavana sy fampianarana momba ny fanajana ny sainam-pirenena ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera tamin’iny herinandro iny.

Mitohy ny ezaky ny fitondram-panjakana amin’ny ady amin’ny fampiasana ankizy tsy ampy taona. Ho an’i Madagasikara manokana dia mbola olana goavana mitoetra hatrany ny resaka fampiasana ny ankizy tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy. Natokana ho andro iraisam-pirenena ho fanoherana ny fampiasana ny ankizy tsy ampy taona sy ny fampiasana ankizy an-tery ny androany, saingy betsaka ho an’ireo ireo zaza malagasy maro dia mbola tsy voahaja izany zon’izy ireo izany hatramin’izao.