Sport

Teknisianina avy amin’ny federasionina iraisampirenena eo amin’ny taranja RUGBY miisa 7 no tonga eto amintsika manofana ireo mpitantanana taranja RUGBY malagasy nanomboka ny alakamisy teo.
Fiofanana feno fifanakalozana no hita teo amin’ireto mpanazatra malagasy sy ity mpilalao kalaza ny ekipa nasionaly frantsay ny taona 1997-2007 nitana ny toeran’ny 3em ligne ity.

Nanotrona ny fanazaran-tenan’ny ekipam-pirenena malagasy, Barea de Madagascar, ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara androany teny amin’ny Stade Saint Pierre, Akamasoa Andralanitra. Nitso-drano ny ekipam-pirenena malagasy ny Filoham-pirenena amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny tompon-dakan’i Afrika na ny CAN. Tsy adinon’ny Filoha ihany koa ny nanolotra fanomezana ho azy ireo ka nanolotra lela-vola 700 tapitrisa ariary ho an’ny ekipan’ny BAREA ny  fitondram-panjakana malagasy hiatrehana ny CAN.

Hampita mivantana ireo lalao 52n’ny CAN 2019 ny fahitalavitra Malagasy sy ny Radio nasionaly. Fampanantenan’ny filoham-pirenena nandritra ny ady hevitra tao amin’ny fahitalavitra Malagasy nandritra ny fampielezan-kevitra ny hampisitraka ny Malagasy ireo lalao ireo. 

Nihaona tamin’ny Ministry ny tanora sy ny fanatanjahantena, Tinoka Roberto, androany ny Filohan’ny konfederasiona afrikanina ny baolina kitra na CAF, Ahmad Ahmad teny amin’ny biraony teny Ambohijatovo. Voaresaka nandritrin’ny fihaonana mazava ho azy ny fandraisana anjaran’ny ekipam-pirenena ny baolina kitra malagasy amin’ny CAN. Ankoatr’izay, nandamina ny mahakasika ny fandraisana ireo delegasiona malagasy an’i Egypte ihany koa ny roa tonta mandritrin’ny fahatongavana sy ny fotoana hivahinianana any an-toerana. Tsy ny mahakasika ny CAN ihany anefa no resaka nivoitra nandritrin’ny fihaonana koa ny fiaraha-miasa maharitr’i Madagasikara sy ny CAF ary ny FIFA.

Le tirage au sort pour la constitution de groupes à la phase finale de la Coupe d’Afrique des nations a été effectué le 12 avril en Egypte. Madagascar fera partie du groupe B, avec les équipes nationales du Nigeria, de la Guinée et du Burundi.  

Légende : Jocelyn Randriamandimbisoa  (FMVB) a pourtant promis d’inviter les Réunionnais.

 

La partie Réunionnaise annonce la non-participation de ses équipes de volley-ball  à la coupe des clubs de la Zone 7 (CCZ7).